Afrika, Moyen Orient, Amerika latina ary Azia no faritra tena be korontana sy ady indrindra maneran-tany. Mbola lavitra ny ezaka ary be ny asa amin’ny fametrahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana.
. Fa anisan’ny zava-dehibe tato anatin’ny folo taona izao dia tafapetraka any amin’ireo faritra valo misy ny COE na ny Filankevitra Oekiominikalin’ny Eglizy ny rafitra hiadiana amin’ny herisetra sy hametrahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana, araka ny fandaharan’asa DOV na ny folo taona natokana hiadiana amin’ny herisetra. “Voninahitra ho an’Andriamanitra ary fiadanana ho an’ny ety ambonin’ny tany”. Io moa no lohahevitra niompanan’ny fihaomben’ny COE, ao anatin’ilay antsoina hoe fiantsoana eokominikaly iraisam-pirenena ho an’ny filaminana sy ny fandriampahalemana na IOPC, natao tany Kingston Jamaika ny 17 ka hatramin’ny 24 mey lasa teo. Manana fandaharan’asa maro ny COE, anisan’ireny ny EDAN na ny tambajotra eokiominikaly misolovava ireo olona manana fahasembanana sy ny DOV. Ny taona 2001 no nanombohana ny DOV ary dia tapitra amin’ity taona 2011 ity izany. Nifantoka indrindra tamin’ny fikarohana sy fametrahana ny fandriampahalemana sy ny filaminana ny dinika rehetra natao ary dia nanana solontena telo i Madagasikara dia ny pastora Rakoto Endor, filohan’ny FLM sy ny pastora Samuel Georges (tonia) ary Rtoa Manantenasoa Ralphine, solontenan’ny EDAN eto Madagasikara. Atrikasa 150 no natrehan’ireo mpizaika arivo avy amin’ireo faritra valon’ny COE dia i Eoropa, Amerika Avaratra, Amerika latina, Afrika, Azia, Karaiba, Pasifika, ary Moyen Orient. Tamin’izany indrindra no namoaboasan’ireo solontenam-piangonana, fikambanana tsy miankina ny resaka filaminana sy fandriampahalemana eny anivon’ny fiarahamonina, eto an-tany, ao anivon’ny tsena ary manoloana ny vahoaka.
Tsapan’ireo mpizaika fa manomboka tsapan’ny Fiangonana sy ny kristianina fa manana andraikitra sy anjara toerana izy ireo amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Niara-nanaiky ny rehetra fa rehefa miteny ny Fiangonana dia misy mihaino. Manomboka eto ary dia hifototra indrindra amin’ny fijerena ifotony ny tena zava-misy ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra ny asa. Izany dia mba hisiana fiovam-pihetsika ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany, hametrahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Ankoatra ireo atrikasa moa dia nisy ny fiombonam-bavaka in-telo isan’andro, teo koa ny fiarahana nandalina ny Soratra Masina ka tamin’ny fiteny frantsay, anglisy, espanola, ary alemana no nanaovana ny programa rehetra. Marihina fa isaky ny fito taona ny fivoriamben’ny COE. Tamin’ny 2006 tany Brezila no farany ary dia any Korea indray no hanatontosana izany ny taona 2013.
Nangonin’i Soa
Sary : Ireo solontena malagasy tany Kingston, Jamaika
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.