Actualités

Fametavetana zaza tao Sainte Marie Eo am-pelatanan´ny Bianco


  • Alatsinainy 06 Jona 2011

Nitatra ilay raharaha «Pédophilie» na fametavetana anenjehana teratany frantsay voalaza fa mpandraharaha ao Sainte Marie sy ao Toamasina renivohitra.

 Ilay horonantsary nirakitra ny zava-bitany rahateo efa miparitaka sy betsaka ny nahita, izay samy nilaza fa «tsy rariny raha teratany vahiny nahavita zavatra toy ireny no avela hiriorio sy harovana fotsiny fa hoe mpanam-bola sy manam-bola». Ny ahiahy koa ho an´ny olona mahalala tsara ity raharaha ity dia hoe : «aiza ity teratany frantsay ity ankehitriny, fa sady tsy mbola natao famotorana, no nanjavona na nasitrika ihany koa ?». Raha ny zava-misy anefa, dia ireo nahalala ny raharaha indray no araha-maso sy atao famotorana. Araka ny fantatra dia eny amin´ny Bianco Toamasina ny raharaha ankehitriny fa lasa nisy resa-bola sy fananaraotam-pahefana ihany koa. Raha ny vaovao nangonina dia misy taratasim-bola maromaro, mahatratra ana miliara (fmg), ankoatra ny lelavola izay nalain´olona tamin’ilay vazaha mba hanafenana ny raharaha tsy hiseho masoandro. Hatreto aloha, tsy fantatra mazava ny nandray ireo vola be ireo, na dia miverimberina aza fa olona ambony sy tompon´andraikitra maromaro ao Toamasina no voatonona sy ananan´ilay vazaha porofo fa naka io vola be io taminy. Vokatr’izay dia fantatra izao fa eo am-panaovana fanadihadiana ny kaontin´ireo olona ambony sy tompon´andraikitra voatonontonona ireo, ny Bianco Toamasina ankehitriny. Tsiahivina fa zanaka malagasy tsy ampy taona no voavetaveta tamin´ity raharaha nitranga tao Sainte Marie ity.

 

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT