Actualités

Fametavetana zaza gasy Nankaiza ingahy Nicaud ?


  • Alarobia 29 Jona 2011

Niteraka adihevitra teo amin’ny samy mpahay lalàna ilay didy fanenan-tsazy nataon’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT ny 26 jona teo, ka nanindriany mafy fa tsy mahazo ilay fanenan-tsazy ny mpamono olona.

 Midika avy hatrany izany, hoy ireto mpahay lalàna ireto fa azo ekena eto amintsika ny fanimbana amin’ny filana ara-nofo atao amin’ny zazavavy Malagasy, toy izany koa ny fangalaram-bolam-panjakana, izay melohan’ny lalàna manerana izao tontolo izao ary iharan’ny fanamelohana ho faty mihitsy aza izay tratra amin’izany any amin’ny firenena sasany. Eo anatrehan’iny dia maro no nametra-panontaniana hoe mby aiza izao ilay raharaha fametavetana zazavavy malagasy vao 12 taona nataon’ilay vazaha frantsay, Nicaud, izay hita an-tsary tao Toamasina ? Toa nanjavona sy maty an-karanany tsy arakaraka ny teny hentitra nambaran’ny minisitry fitsarana sy ny minisitry ny atitany milaza fa tsy azo ekena eto amintsika mantsy ny fanaovana fomba mamohehatra tahaka iny. Araka ny fantatra dia nalain’ny ministeran’ny fitsarana teo anivon’ny fitsarana tao Toamasina ny antontan-taratasy mikasika iny raharaha iny. Hatramin’izao anefa, tsy re popoka ingahy Nicaud. Afa-niala mangingina an’i Madagasikara ve dia nanjavona ?

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT