Actualités

Famerenana ny « Iles éparses » Nangina tanteraka ireo lohandohany mpitaky


  • Alakamisy 12 Mey 2016

Maro no nihevitra fa hanararaotra iny fitsidihan’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana Ban Ki-moon iny ireo fikambanana mitaky ny hamerenana ireo nosy kely manodidina na « iles éparses » hanamafisana ny hetsika nataon’izy ireo, sy hanehoana ampahibemaso ny fitakiana ny fanajana sy ny fampiharana ny fehinkevitry ny Firenena Mikambana tamin’ny 1972 milaza fa an’i Madagasikara ireo « iles éparses » ireo.

Nangina tanteraka ireo fikambanana samihafa ireo, na ireo lohandohan’ny mpisorona aza namitsaka avokoa, tsy nisy tazana na ny talata na ny andron’ny omaly alarobia. Araka ny fantatra dia misy ny tsy fitovizan-kevitra eo amin’ireo mpitarika ny hetsika, mifampiampanga ho mpikaramanadin’ny frantsay aza ny sasany, ka mandinika paikady vaovao indray hitondrana ny fitakiana. Raha nametrahan’ny mpanao gazety fanontaniana mikasika an’ireo « iles éparses » ireo ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana Ban Ki-moon dia nanatsotsotra resaka fa ny fifampiresahan’ny firenena roa voakasika ihany no ahitana vahaolana.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT