Tankina avokoa ny ankamaroan’ny mpandalo sy ny mpitatitra omaly maraina noho ny fahatapahan’ny lalana mihazo an’i Mahamasina mandalo ny «Cité du Jardin».
Voafefy biriky mantsy ilay lalana eo amin’ny fiandohany, manakaiky an’Anosy. Raha ny fanazavan’ny mponina dia nanaovana latsak’alina ny famefena azy io, ny sabotsy teo nanomboka tamin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny misasakalina. Nisy Polisy iray niandry ny famitana ny asa sy niaro ireo mpiasa telo mirahalahy niandraikitra izany. Nahazo alalana avy amin’ny Kaominina ity famefen-dalana ity araka ny fanapahana nosoniavin’ny PDS mitondra ny laharana 042/-CUA/DS/CAB-11. Raha ny fanazavan’ny Talen’ny kabinetra, Rabearisoa Alexandre dia fangatahan’ny fikambanan’ireo tompon-trano efa roa taona no notanterahan’ny Kaominina noho ny firongatry ny fanendahana sy ny vaky trano ary ny loto avelan’ireo mpivarotra amoron-dalana ankoatra ny fanelingelenana sy ny tabataba.
Ny 15 jona 2011 teo no efa nivoaka ilay didy saingy nandrasana ho vita aloha ny fety vao notanterahana raha ny fanazavany ihany. Maro amin’ny mpampiasa ny lalana avy any Mahamasina nihazo an’Anosy omaly no tsy nahafantatra ny fisian’ny sakana ka efa minitra vitsivitsy vao niverin-dalana. Sorena koa anefa ireo mpivarotra amin’io lalana maty io izay nilaza fa tsy misy izany fikambanana tompon-trano nanao ny fangatahana famefena tamin’ny Kaominina izany intsony eny an-toerana. “Misy 33 ireo tompon-trano eto fa ny 3 amin’ireo no nanapa-kevitra samirery tany. Ny ankoatra izay samy tsy misy nampahafantarina mialoha akory”, hoy Rtoa Raoelisolo Herisolo, mponina ao amin’ity Cité ity. Nambarany fa mbola hivory ny mpiara-monina manoloana izao zava-misy izao. Ny ankamaroan’ireo tsena amin’io faritra io koa dia samy efa kivy sahady noho ny voka-dratsy ateraky ny lalana takona satria tsy hisy mpandalo intsony iny toerana iny.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.