Notontosaina ny 2-3 desambara teny amin’ny La Résidence Ankerana ny atrik’asa momba
Fitadiavana vahaolana afahafahan’ny tanora misitraka tany sy vahaolana hahazoany famatsiam-bola ho an’ny asa fihariana nataon’ny « Réseau SOA » Fikambanan’ny Tantsaha nasionaly niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Tanora miisa 1300 tamina faritra 4 no efa nampian’ity tambajotra ity tamin’ny seha-pihariana izay nataony dia tany Diana, Analamanga, Bongolava, Menabe. Hitanay tao anatin’ireo 1300 ireo, fa ny 98% tamin’ireo tanora nifikitra tamin’ny asa fihariana, hoy I Gérard Andriamandimby Talen’ny Réseau SOA, izany hoe azo trandrahana ho hery sy fanohitra ara-toekarena sy fampandrosoana tsara ny fambolena, raha tena mipetrapetraka ny tohana sy ny tan-tsoroka. Tanora 300000 isan-taona no mivoaka amin’ny fianarana, ary ny 100 000 lasa mpamboly satria io no sehatra mbola afaka manome asa betsaka indrindra eto Madagasikara. Noho izany, manaitra ny mpiara-miombon’antoka samihafa na Fanjakana na ONG, mba hiara-hijery manokana ny afahafan’ny tanora misitraka tany ny Réseau SOA. Amin’ny alalan’ny fandovana foana no mba hahazoan’ny tanora tany, efa mizarazra be, ary efa latsaky ny 1,2ha eo isaky ny tanora, izay tsy ampy raha tena hiditra amin’ny sehatra matahianina, hoy i Gérard Andriamandimby. Raha hividy dia azo isaina amin’ny rantsan-tànana no afaka manao. Ao anatin’ny drafi-pampandrosoana tsisy hoe ity misy tany atokana ho an’ny tanora, kanefa homena lanja izany any ivelany, izay hanairana ny Fanjakana.
TSY VOATERY HIANDRY “TITRE”…
Ho an’ny Réseau SOA, dia misy ny fifampidinihana samihafa ahafahan’ny tanora misitraka na mampiasa ny tany, toy ny eny Mahitsy, Manakara,… Amin’ny alalan’ny fifanarahana, fanofana,… fa tsy voatery hiandry “titre”, izay sarotra sy lava ny dingana. Marihina fa eto Madagasikara fa miisa 24 eo ny dingana amin’ny fanoratana tany iray, raha toa ka 3 andro monja dia vita ny any Frantsa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.