Actualités

Fambolen-kazo Mitaky fanaraha-maso mba hahazoam-bokatra


  • Alatsinainy 25 Janoary 2021

13% ny olona efa nanatanteraka fambolen-kazo ihany no nilaza ny nanara-maso

 

 

 

 

ny hazo namboleny, araka ny fanadihadiana taona 2020. Araka izany, tsy naniry araka tokony ho izy ny fambolen-kazo nandritra ireo taona nifanesy. Tsy tokony hijanona amin`ny fanatsatohana hazo fotsiny ny olom-pirenena fa mila manamafy ny fanaraha-maso hahazoam-bokany marina ka ahafahana miroso amin`ny fandrakofana ala indray ny firenena izay andraindraina manomboka izao, hoy Baomiavotse Vahinala Raharinirina, minisitry ny tontolo iainana (MEDD). “Samy mahatsapa ny olom-pirenena amin`izao fa ny fanapotehana ny ala nandritra 60 taona dia vidiana lafo. Araka izany, mila fanaraha-maso miaraka sy fiahiana ny fambolen-kazo” hoy ny fanazavana. Notontosaina tetsy amin`ny EPP Ampahibato Alasora, ny sabotsy lasa teo, moa ny fiara-mientana amin`ny fanentanana an-tsekoly mahakasika ny fambolen-kazo sy ny fiarovana ny tontolo izay niarahan` ny ekipan` ny MEDD sy ny Rotary Club . Zana-kazo miisa 1 200 izay ahitana Flamboyant nain, frênes, Lucena ihany koa no nambolena teo amin’ny 600 metatra manamorona ny lalan’Alasora.

 

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT