Actualités

Fambolem-bary 160 000 ha no omena ny Arabo sy ny Sinoa


  • Alatsinainy 14 Febroary 2022

Hamboly vary any amin’ny Faritra Menabe ny Sinoa. Velarantany iray hetsy hekitara no hiompanan’ny tetikasa. 2.000 hekitara (ha)

no hanombohana azy ao amin’ny Distrikan’i Manja. Hitentina hatrany amin’ny 50 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola hoentin’izy ireo amin’izany. Nivoitra io nandritra ny fidinana ifotony nataon’i Dr Jean Louis Robinson, ambasadaoro malagasy any Sina niaraka tamin’i Hawel Mamod'Ali, minisitra mpiahy ny Faritra ary ireo iraka Sinoa. Roa taona talohan'izao no nambara ihany koa fa hitrandraka velarantany 60.000 hekitara any amin’ny lemak’i Mangoky ny orinasa Elite Agro avy any Abu Dhabi Emirats Arabes Unis hamboly vary, soja, kabaro … Tsy vitan’ny hoe foto-tsakafon’ny Malagasy ny vary fa tena mifamatotra amin’ny kolontsaina ihany koa. Mihinana 138 kg isan’olona isan-taona ny Malagasy iray any ambanivohitra raha toa ka 113 kg izany ho an’ny mponina amin’ny tanan-dehibe. Manodidina ny 4,5 tapitrisa taonina eo ny vary akotry miakatra amin’ireo velaran-tany 12 tapitrisa hekitara voavoly hatreto. Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny hoe : efa tsy marisika mamboly vary ve intsony ny Malagasy fa nomena ny tsy miankina vahiny ? Toa manaporofo izany ny fitobaky ny vary vahiny eny an-tsena izay mora vidy kokoa noho ny vary zanatany, ka maha kivy ny tantsaha. Eny hatramin’ny masomboly aza efa miditra an-tsehatra ny vary safiotra Sinoa na eo aza ny voka-pikarohana avy amin’ny FOFIFA. Tsiahivina fa ny fikasana hanomezana tany ny orinasa vahiny Daewoo Logistics Corporation koreana tatsimo, hambolena katsaka, no nitsongolan’ny mpanohitra ka nitarika tamin’ny fanonganana an’i Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana ny taona 2009.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT