Actualités

Famatsiana herinaratra Tanŕn-dehibe maro tandindonin’ny delestazy


  • Alatsinainy 20 Jona 2011

Taorian’ny olana tamin’ny famatsiana solika saika nanerana ny Nosy farany teo, izay tsy mbola mivaha tanteraka, dia fantatra izao fa tanŕn-dehibe maromaro eto Madagasikara koa izao no tandindonin’ny delestazy.

 Ireo tanàna mandeha amin’ny solika ny famokarana herinaratra ao aminy no ho tena voa amin’izany. Araka ny loharanom-baovao dia mivangongo loatra ny trosam-panjakana tsy voaloa tamin’ny fandaniana jiro sy rano. Amina miliara ariary ny faktioran’ireo birao sy tranom-panjakana tsy voaloa io, hatramin’ny 2009 no ho mankaty. Raha mitohy izao dia any amin’ny volana septambra 2011 dia mety hiseho ary hahery vaika ny delestazy, satria tsy maharaka ny fividianana solika hampandehanana ireo milina mpamokatra herinaratra ka izay kely eo am-pelatanana no tsitsiana, manampy trotraka ny fahanterana sy fahasimban’ny ankamaroan’ny milina tato ho ato. Araka io loharanom-baovao io hatrany dia mety ho lasibatra amin’io delestazy io ny tanànan’i Mahajanga, Maintirano, Toliara ary Toamasina.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT