Mbola tena marary ny tontolon’ny angovo sy famatsiana herinaratra eto Madagasikara, misy isan’andro ny delestazy fa ny faritra isehoany fotsiny no miovaova.
Araka ny fanazavan’ny teknisianina iray eo anivon’ny Jirama dia tena tsy ampy ny mpanjifa intsony mihitsy ny herinaratra vokarina eto Madagasikara ary ny Jirama dia efa am-polotaonany no niara-niasa na ny marina kokoa nividy jiro tamina orinasa tsy miankina mba hahafahana mamaly ny filana. Mazava ho azy fa tsy hanao varoboba ny angovo vokariny ny orinasa tsy mainkina, tsy afaka ny hivarotra herinaratra lafo amin’ny mpanjifa koa anefa ny Jirama ka eo no miditra ny fanjakana amin’ny alalan’ny « subvention » na vola fanampiana mba hanentsemana ny banga. 205 Ariary ny vidin’ny herinaratra 1kwh atolotry ny Jirama amin’ny mpanjifa amin’izao fotoana, raha ny totalin’ny asa atao anefa dia tena manao varotra fatiantoka ny Jirama satria tokony ho manodidina 350 Ariary eo ho eo no vidin’io 1kwh io vao tafaverina ny volan’ny Jirama. Lafo rahateo ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny milina mandeha amin’ny solika na ilay antsoina hoe “Centrale thermique” izay tena ampiasaina eto Madagasikara, noho ny famokarana herinaratra avy amin’ny rano na ny “Centrale hydroélectrique”. Ny mahagaga anefa dia mbola miditra foana amin’ity famokarana herinaratra lafo mampiasa Gropy sy solika ity foana isika eto Madagasikara tahaka ireo gropy 52 teny Antanandrano ka nafindra any Behenjy. Izao tonga indray ny fitaovana goavam-be « Turbine à combustion » milanja 120 taonina an’ny EDF (Électricité de France) izay tombanana ho afaka hamatsy tokantrano hatrany amin’ny 60 000 any ho any. Hapetraka eny Ambohimanambola ireo “turbine” roa niasa tany amin’ny Centrale Port Ouest La Réunion ireto. Tsy fantatra mazava ny endriky ny fifanarahana nahatongavan’izy ireo eto Madagasikara fa ny azo antoka fotsiny aloha dia an’ny Frantsay izy ireo. Izay marina ve no tena vahaolana ? Raha notokanana mantsy ireo gropy 52 teny Antanandrano dia efa nolazaina fa ampy na mihoatra aza ny herinaratra vokatra ho an’ny tambazotra Antananarivo RI. Nisy ihany anefa ny delestazy avy eo dia mamoaka izao karazana fanazavana rehetra izao ny Jirama. Ary ny tena zava-doza dia ny hoe fa ny sehatra tsy miankina sy ny vahiny ve izany no hifehy ny famokarana angovo eto Madagasikara ka izay no mahatonga ny EDF mandefa fitaovana aty io ? Marihana fa efa tamin’ny taona 2004 no nikasa hisisika tao amin’ny fitantanana ny Jirama ry zareo Frantsay tamin’ny alalan’ny EDF saingy tsy nanaiky hatramin’ny farany izany i ny fitondrana Ravalomanana, dia iny hita iny ihany moa ny niafarany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.