Actualités

Famatsiam-bola Mety ho very ny 500 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena


  • Zoma 20 Mey 2011

Vola hatrany amin’ny 11,5 miliara dolara no natokan’ny Banky Iraisam-pirenena hanampiana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ho an’ny kaontinanta afrikanina hatramin’ny volana jona 2011.

 Tsy dia nahazo tombony loatra tamin’io anefa i Madagasikara noho ny krizy politika izay tsy mitsahatra mihalalina hatrany. Misy fiantraikany goavana, indrindra amin’ireo sokajin’olona tena marefo izany. Manoloana izao fahantrana izao moa dia namoaka vola ihany ny Banky Iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara, tafiditra amin’ny fiahiana ny maha olona. Ao anatin’izany ny ady amin’ny Vih/Sida, ny fiahiana ara-tsakafo, tontolo iainana, ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, ny fampindramam-bola madinika, ny fitaterana any ambanivohitra, ireo tetikasa momba ny sahandriaka sy ny lemaka voatondraka. Hifarana tsy ho ela ny taon-ketra jolay 2010- jona 2011.

Famatsiam-bola hatrany amin’ny 600 tapitrisa dolara no tokony ho azon’i Madagasikara tamin’izany, tafiditra indrindra amin’ny IDA15 saingy eo amin’ny 85 tapitrisa dolara ihany no azontsika, izay namatsiana ireo tetikasa nialoha ny krizy. Araka ny vaovao dia mety ho very anjavona koa ny fanampiana ho an’ny IDA16 satria raha natao ny tombana momba ny ‘indicateurs de performance’ eo amin’ny seha-pitantanana dia nitotongana izany. Manantena moa ny Banky Iraisam-pirenena fa dia hiravona tsy ho ela ny krizy ka dia hiverina ny famatsiam-bola ilaina rehetra.

 
Nangonin’i Soa  
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT