Actualités

Famarotana ireo tahirina andramena Tsy manaiky ny Alliance Voahary Gasy


  • Alarobia 25 Aogositra 2021

Nisy solontenan’ny finamanan’ireo filankevitra ambonin’ny tetezamita teo aloha na ACS tonga tao aminay nanontany ny fiaraha-miasa azo atao ahafahana mamarotra ireo tahirina andramena

 tamin’ny tetezamita entina hanatsarana ny raharaham-pirenena, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Alliance Voahary Gasy, Ndranto Razakamanarina. Ny zava-misy ofisialy eto amin’ny firenena aloha dia misy ireo bolabolan’andramena miisa 28.766 ireo izay nogiazana an-taonany maro izay dia mipetraka any amin’ny “gardien séquestre”, ny zandarimaria, ny miaramila, ny sampan-draharahan’ny ala, hoy izy. Nasaina nanao fanambarana koa, ankoatran’izay ireo “mpandraharaha” misehatra amin’ny andramena. Tsy ara-dalana izany! Noferana tamin’ny taona 2012 moa izy io hoe bolabola miisa 200.000. Toy ny niakatra tampoka indray dia lasa 270.000 indray izany ankehitriny. Izany rehetra izany no misy miheritreritra ny hivarotra. Ho anay ato amin’ny AVG sy ny lalana mihitsy dia hazo halatra ireo. Famotsiam-bola ihany ny famarotana an’ireo na dia mety ho amin’ny fomba ara-dalana aza. Ny tena olana lehibe ny amin’ny hivarotana ireo dia fantatsika ny paikan’ireo tsy maty voalavo an-kibo amin’ny fanondranana “bois de rose” eto Madagasikara fa toy ny alalana ho azy indray hanapatapaka any ambadika any izany zavatra izany. Raha be indrindra dia tsy mahatratra 30.000.000 dolara akory no azo amin’ireo andramena nogiazana ireo. Ilay voalaza na “déclaré” dia voalaza fotsiny fa mbola tsy voamarina hoe tena misy. Ireny ilay mahatonga anay miteny hoe misy vonona hanapaka any. Raha manaikinaiky ny famarotana an’ireo dia hihevitra ireo olona ireo fa tsy mpanapaka sy mpanimba izy fa hihevitra ny tenany ho toy ny mpandraharaha rehetra. Eo no manahirana. Aminay dia tsy tokony amidy ireo fa aleo hodorana mba tsy hitohizan’ilay fihariana intsony. Azo atao koa, ohatra, ny mampiasa azy hanarenana ireo vakom-pirenena maromaro eto. Tsy azonay izao izay antony nanapahana hazo vaovao indray tany Melaky tany hanarenana ny rova nefa ireo feno tahiry. Azo atao fanomezana ho an’ireo mpisehatra amin’ny asa sikotra eto amin’ny firenena koa io, hoy hatrany ny Alliance Voahary Gasy.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT