Actualités

Famaranana ny taona 2020 Niombom-bavaka teny Andohalo ny Polisim-pirenena


  • Alarobia 30 Desambra 2020

Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana teny Katedraly Andohalo ho fisaorana an'

 

 

Andriamanitra ary fametrahana ny taona ho avy eo ambany fahasoavany no nentin'ny Polisim-pirenena namaranana ny taona 2020. ‘’Izaho no foto-boaloboka, ary hianareo no sampany. Izay mitoetra ao Amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona hianareo.’’ Io no tenin'Andriamanitra azon'ny Polisim-pirenena amin'ny fanatontosana ny asany izay midika fa raha tsy miray amin’ny Kristy isika amin’ny fanatanterahana ny asa dia tsy ho tontosa antsakany sy andavany izany. Nanatrika izany fonompoam-pivavahana izany moa ny Minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny vadiny niaraka tamin'ireo lehiben'ny Polisim-pirenena isan-tsokajiny ary ireo Polisy miasa eto an-drenivohitra. Nanafana ny fotoana ny antoko mpihira avy eo anivon’ny Polisim-pirenena sy ny antoko mpihira avy ao amin’ny Cathédrale Andohalo, ary nanao ny fanentanana kosa dia ny vondrom-bavaka avy amin’ny Polisim-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT