Mihazakazaka manaraka fandrosoana ny Jirama ankehitriny, hoy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny angovo farany teo nanohy ny fampahafantarana ny atao hoe "Jirama Innove"
izay herintaona lasa izay no nanatanterahana ny dingana voalohany tamin'izany, raha ny fampahafantarana. Efa misitraka ny vokatr'izany isika manerana ny nosy ankehitriny dia ny "Matselaka" izany, hoy ny fampahafantarana. Naroson'ny Jirama ho antsika indray ny dingana manaraka dia ny "Digitalisation" izay lalana mankany amin'ny tolotra tsaratsara kokoa sady natao hanamora ny fizotran'ireo dingana rehetra atao eo anivon'ny Jirama. Maro be ireo tombony hoentin'ity vokatra vaovao ity. Misy teboka maromaro nambaran'ny Tale Jeneralin’ny Jirama nandritry ny lahateniny. Voalaza teto koa moa ny fihetsiketsehana samihafa toy ny hoe serasera anatiny na “Intranet” hahafahana mampita ny vaovao manerana ny nosy ao anatin'ny fianakaviamben’ny Jirama, fanarenana ny "Journal interne", “Plate-forme” hahafahana midinika eo anivony orinasa Jirama ny mpikambana hamolavola ny tetikasa iombonana. Ho hatsaraina ny toerana fiofanana eny Ambohimanambola. Noho izany dia miisa 3 ireo akademia hisy eto Madagasikara dia ny akademia Ambohimanambola, Mandraka Hydro, Akademia Sud Énergie Solaire, hoy hatrany ny fampahafantarana. Namaivay nanoloana izany anefa tetsy ankilany ny kiana nataon’ireo mpanjifa izay manomboka sorena amin’ity fihetsiketsehany tsy mifanaraka amin’ny tena zava-misy marina ity. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe tafala tanteraka amin’ny zava-misy na ilay hoe “déconnecté” amin’ny “réalité” ve ny minisitra tomponandraikitra sy ny JIRAMA ka tsy mahafantatra fa na ireo mponina an-drenivohitra aza ankehitriny, sanatrian’izany, efa hila hisotro ranom-potaka? Maneho ny fialantsiny amin’ny Jirama ofisialy fa tsy tafafoha tamin’ny 2 ora maraina hanangon-drano izahay dia tsy nahazo ilay anjara rano tokony ampiasaina androany, hoy ny renim-pianakaviana iray nanome valin-kafatra. «Geste» iray bariaka fa ny asa tsy atao tsara, hoy izy, ary ilay henatra teto amin’ity firenena ity angamba aloha efa lasa nanao «voyage» lavitra be mihitsy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.