Actualités

Famahana ny olan’ny mpampianatra «Tsy azo atao tefy manta», hoy Randriamanana Jean de Dieu


  • Talata 08 Mey 2012

Miihenjan-droa ny tady eo amin’ny resaka olan’ny mpampianatra ankehitriny.

 Eo am-pandinihana izany mihitsy izahay ao amin’ny vaomieran’ny fanabezam-pirenena ety amin’ny Kongresin’ny tetezamita amin’izao fotoana izao, hoy ny filohan’izany vaomiera izany, ny CT Randriamanana Jean de Dieu. Efa nihaona tamin-dry zareo SEMPAMA izahay, tapa-bolana lasa izay nilaza tamin-dry zareo fa mitombina ny fangatahanareo fa ilay fotoana hamahana ny olana dia tsy maintsy misy dinika an-databatra boribory fa tsy azo atao tefy manta. Androany alatsinainy 7 mey (omaly) izahay dia avy nandray ny sendikan’ny mpampianatra «certifié» ary samy niara-niaiky fa ilaina izay fihaonana an-databatra boribory izay.

Ny vahaolana aloha, hoy Randriamanana Jean de Dieu, dia azo antoka fa tsy maintsy misy foana saingy tsy azo atao tefy manta na kimaimaika fa mila mifandinika ny vondrona rehetra mandray anjara eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny eo amin’ny fitondram-panjakana. Aminay aloha dia tsy mety ny faneriterena na amin’ny inona na amin’ny inona ary tsy mety ny fanerena hitady vahaolana haingana dia haingana. Ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, efa nahaloa sy nahavita ny adidiny an-tsakany sy an-davany izay mihevitra fa tokony handeha amin’ny tokony ho izy ny fampianarana. Etsy ankilan’izany ny mpanabe izay mahatsapa koa fa efa nilaozan’ny toetrandro ny tambin-karamany ary tsy ry zareo irery no iharan’izay tsy fahampian-karama izay fa ny mpiasam-panjakana maro mihitsy ka vahaolana maharitra no ilaina. Tokony hivory haingana ireo mpandray anjara eo amin’ny sehatry fanabeazana mba hitady vahaolana aloha hiverenan’ny mpianatra an-dakilasy fa efa akaiky ny fanadinana.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT