Mila rà maika ilay mpihira vehivavy antsoina hoe : Fali raha Rakotobe Fali no tena anarany.
Misedra olana ara-pahasalamana tanteraka mantsy ny vehivavy ankehitriny ka mila ra maika. Mandritra ny fandidiana tsy maintsy hatao aminy anio alarobia no ilany io ra io. Na izany aza tsy mifidy sokajin-drà izy fa izay rehetra afaka manome ra maimaimpoana entina hamonjena ny aina dia raisiny avokoa. Etsy amin’ny banky fanomezan-drà etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha no hanatanterahana izany anio manomboka amin’ny 7 ora sy 30 maraina ka hatramin’ny 11 ora atoandro. Raha tsiahivina kely moa dia mpanankato nampiara-peo tamin’i Samoela i Fali ary nandeha irery izy, taty aoriana. Efa maro ihany koa ireo mpanakanto niara-niasa taminy toa an’i Silo…..Mirary fahasalamana ho azy ny ekipan’ny gazety Tia Tanindrazana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.