Tontosa omaly ny soniam-piaraha-miasa Tontosa omaly 07 novambra 2022 ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny SMA
Société Municipale d’Assainissement) sy ny orinasa APIS Solutions ary ny Kaominina Antananarivo renivohitra mikasika ny fametrahana ozinina voalohany «pilote» eny Andralanitra izay hamadika ny fako ho entona azo ampiasaina. Efa nandalo fandaniana vao tsy ela teo anivon’ny mpanolotsaina monisipaly ny mahakasika ny fanombohana ny fanodinana ny fako eto Antananarivo, raha ny fanamarihana. Hoentanina ny mponina sy ny mpandraharaha eto Antananarivo mba hanaraka ny lamina, toy ny fanajana ny ora fanariana fako, ny ezaka amin’ny fanasarahana ireo fako azo ahodina na tsia ary ny fanajana ny CMH (Code Municipale d’Hygiène) na ny lalàna monisipaly momba ny fikoloana ara-pahasalamana satria ny fako mety ho lo ihany no afaka avadika entona, hoy ny eo anivon’ny Kaominina. Nisy ihany koa moa ny fanamarihana nataon’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina tao anatin’ny fampitam-baovao nataony momba ity tetikasa ity, fa ny olan’ny fako eto olana dia olana efa nipetraka hatry ny ela satria mifampiankina amin’ny fitombon’ny mponina fa eo ihany koa ny amin'ny enti-manana eo amin’ny fiadidiana ny tanàna. Ny ezaka dia iaraha-manana ary iaraha-manao, ho an’Antananarivo tanànantsika, hoy io ben’ny tanàna io. Tsy vao izao no nisy ny fikotrehana ity tetikasa ity, ka irariana mba ho tanteraka amin’izay satria isan’ny tetikasa tena ilain’Antananarivo ny tahaka izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.