Actualités

Fakana sary ny entan’ny Filoha Misokatra ny fanadihadiana, hisy fitoriana


  • Zoma 12 Aogositra 2022

Taorian’ny fipariahan’ny sarin’ny tapakila mirakitra ny lanja sy ny entana nentin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina teny amin’ny seranam-piaramanidina ny 09 aogositra teo,

nilaza ny hitory an’izay tompon’antoka naka izany sy ny nanaparitaka azy ny eo anivon’ny Madagascar Airlines. Raha ny fanazavana dia valizy 4 no entan’ny filoha mianakavy, nampiditra ny entana voalohany 27kg raha 32kg ny zo, faharoa 27 kg, ary nampiditra fanintelony 17 kg, izay manome 71 kg, ary ny fahaefatra kosa izay 8kg. Manome 79kg ny entana. “Nandalo fanaraha-maso ara-dalàna avokoa, nandalo ny fitsirihana samihafa tahaka ny “scanner”, ny entan’ny delegasionina niaraka tamin’ny filoha izay nisy delegasionina hafa ankoatra azy mianankavy. Fanosoram-potaka, ary famoahana sary tsy ara-dalàna sy saropady no niseho, ka hotoriana izay naka sy namoaka izany. Tsy afaka hiasa intsony amin’ny seranam-piaramanidina, ary mety ho tonga eny amin’ny ady heloka”, hoy hatrany ny vaovao omaly. Raha ny fampahatsiahivana nentin’ny Minisitra iray tao amin’ny tambajotran-tserasera, fomba fanao ny hoe: raha misy mpandeha maromaro miaraka dia soratana amin’ny olona iray ny entana. “Misy ny atao hoe “confidentialité” tokony hajaina ary mitombina ho an' ny mpanjifa rehetra izany. Ny fanaparitahana an'io zavatra io dia hampandositra ny olona maniry hifidy hiaraka amin'ilay orinasam-pitaterana. Misy “norme sécurité/sûreté” tsy voahaja indray eto satria io zavatra aparitaka io dia ahafahana mamantatra ny mombamomba an'ilay mpandeha, ary efa misy zavatra miparitaka mihitsy any.3/71kg = 3 bagages de 71 kg. Mino aho fa ao amin'ny “Classe Affaire” io mpanjifa io ary ny “franchise baggage”-ny dia 32kg ×2 ary 18 kg ny “bagage à main”.Raha hanampy “excédents de bagages” dia 150$/bagage raha aloa any amin'ny “agence” ary 300$/bagage raha eny amin'ny seranana vao aloa. (…) Rehefa mijery ny lanjan'ireo entany ireo dia tsy mahita “abus” amin'io mihitsy aho…”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpiasa iray eeo anivon’ny Air Madagascar.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT