Nitokona nanao fihetsiketsehana ny mponina ao Imerintsiatosika omaly. Manohitra ny fakan’ny Fanjakana ny taniny
hanatanterahana ny tetikasa Tanàmasoandroa. Ambaran’izy ireo, fa maherin’ny 600ha, ao anatin’ny fokontany 7 no kasaina halaina, kanefa ny manodidina ny 400ha ihany no azon’ny fanjakana ampiasaina, hoy ny mponina. Tsy nisy olana tany am-boalohany, saingy misy ny fanovana ny takelaka fa tsy toy ny teo aloha, ka lasa voakasika ny tanin’ny mponina. Efa nisy fifampiresahana tamin’ny Minisitera mpiahy, saingy tsy nisy tohiny. Ny tany manana ny Titre 391C izay mirefy 341ha ihany no an’ny Fanjakana, kanefa lasa 1000ha no ambara fa halaina, hoy ireo tompon-tany. “Tampon-tanety hanaovana raha hanao tetikasa, fa tsy halaina daholo hatramin’ny lohasaha hiaingan’ny loharano rehetra, voakitika hatramin’ny fasan-drazana”, hoy izy ireo. Tonga teny an-toerana nanazava tamin’ny mponina ny solontenam-panjakana. Hanao dingana hanao fanadihadiana, izay rehetra noteneninareo no harafitra ao anatin’ilay fanadihadiana momba ny fiantraikan’ny tetikasa amin’ny tontolo iainana, hoy ireo, izay tsy nahasakana ny tabataban’ny olona. Miantso ny hidinan’ny Minisitra tompon’andraikitra, na ny Filoham-pirenena mihitsy ireo mponina voakasiky ny fakana tany ao Imeritsiatosika. Mitady ho lasa Ambohitrimanjaka faharoa ve izany izy ity? Efa tena vonona amin’ny hoenti-manana ve ny Fanjakana sa halaina fotsiny aloha ny tany dia izay tohiny eo tohiny avy eo? Raha handray ohatra iray isika, dia 6 miliara dolara eo no ilaina amin’ny fananganana ny tanàna goavana Akon City ataon’ilay mpanakanto Amerikanina manana fihaviana Sénégalais any Dakar. Tena manana izany vola izany ve ny Fanjakana? Inona no tambiny ho an’ireo mety hamoaka vola hanao ny tetikasa?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.