Actualités

Fahefana misy eto Madagasikara Nanaovana fikarohana manokana


  • Sabotsy 16 Jolay 2016

Omaly tolakandro dia nampahafantarina teny amin’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny siansa maha olona teny Ankatso ny voka-pikarohana mikasika ny fihodin’ny fahefana misy eto Madagasikara izay novolavolaina manampahaizana malagasy sy vahiny vitsivitsy.

Araka ny fampahafantarana natao moa dia tanjona amin’izy ity ny hametraka anatin’ny tsikalam-pieritreretan’ny olom-pirenena tsirairay avy ny fihodin’ny fahefana nisy teto ahafahan’izy ireo mandray ny andraikitra tandrify azy avy. Nentina nanazavana izany bebe kokoa moa ny fandefasana horonantsary fohy mitondra ny lohateny hoe « Zana-bahoaka – le neo rebelle malagasy » izay adika malalaka hoe « ilay mpioko malagasy vaovao » mirakitra fanadihadiana natao tamina faritra vitsivitsy teto Madagasikara mba hamantarana ny fiheveran’ny olona ny fahefana misy eto amintsika, ny mpioko eto Madagasikara, ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay manoloana ny zava-misy eto amintsika. Marobe moa ny valim-panontaniana nandrasan’ireo nanatrika izany ka ny fampirantiana mandritry ny herinandro, izany hoe  ny 15 ka hatramin’ny 22 jolay ho avy izao no hamaliany izany eny Ankatso ihany.

Faralahimatoa

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT