Nifanaiky amin’ny fisian’ny fandaharanasa ara-toekarena azo leferina hatramin’ny faran’ny taona 2019 ny fanjakana Malagasy sy ny sampandraharahan’ny Tahirimbola iraisampirenena,
hoy ny lehiben’ny iraky ny FMI Marshall Mills taorian’ny fihaonany tamin’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery teny Iavoloha omaly. Heverina hisitraka hatrany amin’ny 220 tapitrisa Dts na 310 tapitrisa dolara ireo politika voarakitra ao anatin’ilay antsoina hoe «Facilité Elargie de Crédit». Miankina tanteraka amin’ny fankatoavan’ny mpitantana foibe sy ny filankevi-pitantanan’ny Tahirimbola anefa ny fahazoana izany, araka ny fanamarihan’ity teknisianina manampahaizana vahiny ity. Fepetra goavana ihany koa ny fahafahan’ny mpitondra Malagasy manatontosa an-tsakany sy an-davany ireo pitsopitsony fiantohana ny fivoahan’ny famatsiambola ilaina. Handalo sy hodinihan’ny filankevi-pitantanan’ny FMI amin’ny faran’ny volana jolay io fangatahana FEC atolotry ny firenena Malagasy io, araka ny fanampim-panazavana. Nahafa-po amin’ny ankapobeny ireo ezaka notanterahan’i Madagasikara tao anatin’ilay programa lasitra nandritra ny enim-bolana nanomboka ny septambra 2015 hatramin’ny martsa 2016. Hita ho nihatsara ny lafiny ekonomika tao anatin’ity fampiharana ny fandaharanasa napetraky ny mpamatsy vola ity. Ohatra azo tanisaina amin’izany ny fiakaran’ny tahirimbola ao amin’ny Banky Foibe. Antenaina hihoatra ny 4% moa ny harin-karena, hoy ny FMI. Manao fomba firesaka diplaomatika ireto iraky ny FMI ireto. Betsaka ny fampananatenana, efa hita anefa fa henjana ireo fepetra takiana mila hajain’i Madagasikara, anisan’izany ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanjakana tsara tantana. Iza no tsy mahalala fa manjaka eto ary amin’ny sehatr’asa rehetra ny kolikoly, indrindra fa eo amin’ny raharaham-panjakana ary tsy ho amin’ny faran’ny volana jolay 2016 mihitsy no hahavitana asa mivaingana amin’ny ady atao amin’izany. Tsy misy vola mivoaka anefa raha vao tsy feno ny fepetra, ka tsy izany ve ny hoe : manantena tsy misy e ?
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.