Notontosaina omaly tao Ampitifirana ao anatin’ny faritry ny Oniversiten’Antananarivo ny lanonam-pahatsiarovana ny nitifirana ireo maherifon’ny firenena.
Ny 19 Jolay 1948 tokoa mantsy no notifirina teto amin’io toerana io ireo maherifon’ny firenena niady nitaky ny fahafahana sy ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara, nahitana ny Lietinà Randriamaromanana Albert, Rakotondrabe Samuel, Ratsizafy Samuel, Bekamisy ary i Lezoma. Nitarika izany lanonam-pahatsiarovana izany ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, notronin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena, ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika. Nanotrona ny lanonana kosa ny mpikamban’ny governemanta maromaro, lehibena andrim-panjakana, manam-pahefana sivily sy miaramia samihafa. Nisy ny fametrahana fehezam-bonikazo teo amin'ny tsangambato fahatsiarovana nataon’ireo andiany mitondra ny anaran’i LTN Randriamaromanana avy ao amin’ny SEMIPI sy avy ao amin’ny CEDS (Centre d’Etudes Diplomatiques et Stratégiques) ary nofaranana tamin'ny fitsidihana ny tranoeva fampiratiana misy ny tantaran'ireo maherifo sy ny fitaovana nampiasaina tamin'izany. Ny Fitaleavan’ny Mpiady Tia Tanindrazana (Direction des Combattants Nationalistes) ao Analakely moa no mitahiry ny tantara sy ireo vakoka rehetra mahakasika ireo maherifon’ny firenena sy misahana ny fizarana ny fisotroandronono ho an'ireo bekotro maroholatra, araka ny fanamarihan’ny eo anivon’ny Tafika Malagasy.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.