Actualités

Fahatongavan’i Lalao Ravalomanana Nandeha adim-pamantaran’andro


  • Talata 12 Martsa 2013

Nifantoka tany amin’ny fahatongavan-dRamatoa Lalao Ravalomanana an-tanindrazana ny vaovao omaly tontolo.

 Nandeha adim-pamantaranandro mihitsy ny resaka taorian’ny nahenoana fa dia niainga teny Ivato omaly tamin’ny fiandohan’ny tolakandro ny fiaramanidina manokana hitondra ity vadin’ny filoham-pirenena teo aloha ity ho aty Madagasikara, hitsabo ny reniny. Vao mainka nihazakazaka ny vaovao nony nilentika ny masoandro fa hoe higadona mialoha ny misasakalina eny Ivato ilay fiaramanidina manokana mitondra azy. Niovaova ny ora, ao ny milaza fa amin’ny sivy ora alina, avy eo indray amin’ny folo ora alina. Ny fahitana ny minisitry ny fiompiana Ihanta Randriamandrato teny an-toerana koa, na niserana ihany aza, toa vao mainka nanome antoka fa dia hisy olo-manankaja ho avy eo. Mpanao gazety maromaro rahateo no efa niandry teny Ivato noho ny maha vaovao lehibe azy io.

Hatramin’ny misasakalina anefa tsy mbola nisy fiaramanidina nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Na izany aza efa azo antoka ny fahatongavany. Nanamafy izany rahateo Atoa Marc Ravalomanana, raha niditra nivantana tamin’ny antso an-tariby tao amin’ny Magro ny sabotsy lasa teo. Ny ankolafy Ravalomanana ihany koa, na mangingina tsy nahazoam-baovao aza, dia efa niomana. Raha ny fanazavana tamin’ny faran’ny herinandro dia tsy handeha irery avy any Rtoa Lalao Ravalomanana, fa hisy olona avy aty Madagasikara ho avy haka azy any ka hitodi-doha hiaraka aminy eto Madagasikara.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT