Actualités

Fahatongavan’i Lalao Ravalomanana Handrasana anio ny toromarika


  • Alarobia 27 Febroary 2013

Voaresaka tao amin’ny Magro Behoririka omaly ny fodian-dRtoa Lalao Ravalomanana. Raha ny fampitam-baovao nataon’ny CT Rasoamalala Odette Brenda dia amin’ity herinandro ity no higadona eto an-tanindrazana ny vadin’ny filoha teo aloha ary amin’ity anio ity, raha tsy misy ny fiovana no hamantarana izay ho toromarika momba ny fahatongavany.

 Nambaran’ny CT Rasoamalala Odette Brenda ihany fa dia ho hafa kely no hanamarihana ny andron’ny vehivavy amin’ny 8 martsa satria dia hiarahana amin-dRtoa Lalao Ravalomanana izany. Ny CT Ralaimampisainarinony Manoela kosa dia nanisy resaka mikasika ny takaitra navelan’ny rivodoza “Haruna” any atsimon’ny Nosy. Morombe, Toliara, Sakaraha, Betioky Atsimo ampahany amin’ireo Distrika tena voa mafy indrindra ireo. Traboina tokoa i Toliara, hoy ny CT Ralaimampisainarinony Manoela, eny hatramin’ny vola tao an-tokantrano aza tsy hita. Ny zava-misy anefa dia mbola amidy indray ny vary entin’ny prezidansa fa tsy zaraina maimaimpoana, satria efa tena sahirana ny vahoaka. “Ento miverina fa mahatezitra”, hoy izy.

Mampalahelo, hoy ny CT Rarison Hilarion fa any anaty fahoriam-bahoaka any Atsimo no ilazan-dRajoelina hoe aleo mody Rtoa Lalao Ravalomanana. Milalao ain’olona i Andry Rajoelina, hoy ihany izy nanamafy satria efa tapa-bolana no efa narary mafy i Bebe Razay kanefa dia tsy noraharahaina raha tsy izao. Notsipihan’ity mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita ity fa tsy mitovy ny raharaha fianakaviana Ravalomanana sy ireo hafa sesitany teo aloha tamin’ny 2002.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT