Actualités

Fahatezerana diso tafahoatra Notsatohany antsy ho faty ilay vadiny nahabevohoka olon-kafa


  • Talata 28 Jona 2022

Lehilahy iray, 26 taona, no fantatra fa maty novonoim-badiny ny alin’ny alahady 26 jona tany amin’ny distrikan’i Mananjary.

Mpivady ara-pomban-drazana efa nandritra ny 06 taona izy ireo. Fototry ny fifamaliana teo amin’izy roa matetika ny tsy fananan’izy ireo zanaka mandrak’ankehitriny. Niara-nisotrosotro tamina toeram-pisotroana iray tao Mananjary izy mivady ny alin’ny fankalazana io fetim-pirenena 26 Jona io. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina no raikitra indray ny fifamaliana teo amin’izy ireo rehefa nahafantatra ravehivavy fa naha bevohoka tovovavy iray hafa ilay lehilahy vadiny. Tao anatin’ny hamamoana sy hatezerana no nanindronan-dravehivavy antsy ny tendan’ilay vadiny. Maty tsy tra-drano ilay lehilahy vokatr’izany. Ilay vehivavy nahavanon-doza kosa efa nosamborin’ny Polisy avy hatrany ka nentina nanaovana fanadihadiana eo anivon’ny CSPD Mananjary ary hiakatra fitsara tsy ho ela.
Nangonin’i Pati
Legende : Vitan’ity vehivavy ity ny namono ny vadiny noho ny hatezerany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT