Actualités

Fahataran-karaman’ny PAT Hikatso tanteraka ny oniversiten’Antananarivo


  • Talata 02 Aogositra 2022

Tsy mbola nisitraka ny karama volana jolay izay nambara fa hisy fahatarana kely ny mpandraharahan’ny Oniversiten’Antananarivo na ny PAT (Personnel Administratif et Technique).

Nanapa-kevitra ny hampikatso tanteraka ny oniversite noho izany PAT. Nifanaraka ny PAT fa hidiana tanteraka ny vavahady, hampitomboana ny tsy famohana birao, tsy hisy ny fikarakarana diplaoma sy “certificat”, ny fikarakarana fanadinana efa tsizarizary nanomboka omaly, mikatona daholo ny birao rehetra manomboka anio. Efa nilaza ny Tale ara-bolan’ny oniversite (DAF) fa ho tara, hatramin’y 26 jolay no noresahina, kanefa hatramin’izao tsy mbola nivoaka. Misy ny fahatarana ny famoahan’y vola teny anivon’ny oniversite izay efa nandrasana hatramin’ny 20 jolay. Ankasitrahanay ny nanaovana ny karaman’ny mpandraharaha ho ao anatin’ny “budget général” saingy tsy tokony hitarazoka be tahaka izao ny fikarakarana, hoy ireo mpandraharaha. Mbola kely ny fanantenana hivoahan’ny karama manomboka amin’izao fiandohan’ny volana izao, hoy ny PAT, ka milaza tsy hiasa izy ireo raha tsy mivoaka ny vola.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT