Actualités

Fahatapahan-jiro manomboka amin’ny zoma Haharitra 1 ka hatramin’ny 5 ora isaky ny mandeha


  • Alarobia 12 Oktobra 2022

Ho henjana ny hahazo ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina manomboka amin’ny Zoma alina ho avy izao, fotoana hametrahana ilay fitaovana vaovao ao Andekaleka hanana tanjaka 4 G hamatsy

herinaratra ny tambajotra iraisan’Antananarivo. Ora 01 mantsy raha kely no ho tapaka ny jiro raha hahatratra hatrany amin’ny adin’ny 5 kosa no faharetany. Hitohy hatramin’ny talata 18 oktobra izany fahapatahan-jiro izany. Na izany aza dia fantatra fa efa miara-miasa amin’ny APIPA ny JIRAMA amin’ny fampiakarana ny tahan'ny fampidirin-drano hahafahan'ireo Toby mpamokatra herinaratra madinika mampiakatra ny herinaratra vokarina. Anisan'ireo hosokafana ohatra i Tsiazompaniry. Mbola hisy ny fijerena ireo toeran-kafa mba tsy hahalava loatra ny fahatapahan-jiro hiainan’ny isan-tokantrano. Ankoatra ireo orinasa mivelona amin’ny asa mila herinaratra moa dia fantatra fa efa miaina ao anaty tebiteby sakafo ny isan-tokantrano raha tsy hiresaka afa-tsy ny tsy fisian’ny fandriampahalemana fotsiny isika.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa mandeha ny asa fanamboarana ao Andekalela amin’izao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT