Actualités

Fahasimban’ny sosona ozonina Miha mihena ny tandavan’ala atsinanana


  • Talata 08 Martsa 2022

Misy valanjavaboary any amin’ny tandavan’ala atsinanan’i Madagasikara ankehitriny iandraiketan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana na UNESCO,

 hoy ny sekretera jeneralin’ity rafitra ity eto amintsika, Manda Ravelojaona. Miha mihena na “en péril” izy io ankehitriny, hoy izy. Eo ihany koa ny any andrefana izay efa ao anatin’ny fanaovana ny taratasy sy famatsiam-bola nahafahana nanao ny fanadihadiana rehetra mba hampidirana azy ho vakoka hahafahantsika miaro ny tontolo iainana sy mivelona miaraka amin’ny zavaboary. Misy ny fandaharan’asa antsoina hoe “décarbonisés” izay ijerena ny fomba hanenana ny entona manimba sosona ozonina. Ekena fa tsy azo ihodivirana ny fahasimban’ny sosona ozonina satria sarotra ny mamerina an’io rehefa potika. Azo atao kosa anefa ny manalava ny fotoana tsy hiharan’ny fiantraikany mafy aty amintsika. Raha anaty 1000 taona no misy fiakarana 1 dégré dia vitan’ny zanak’olombelona no miatrika izany. Fa raha toa kosa anaty 10 taona no hiakatra 10 dégré ny hafanana, sarotra ho antsika ny hiatrika an’izany. Izany no antony hametrahana ny fototra rehetra amin’ny alalan’ity fandaharan’asa ity hoe eto no hahafahantsika manalavitra ny fiakaran’ny hafanana, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT