Actualités

Fahasamihafan’ny toetr’andro Mila mitandrina rehefa hanao vakansy


  • Alarobia 27 Jolay 2022

Tafiditra tanteraka ato anatin’ny ivon’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny. Mamirifiry mafy izany amin’ny ankapobeny nefa mbola misy hafanana ihany any amin’ny faritra sasany toa an’i Mahajanga.

Tsy vitsy ireo lasa mihazakazaka any an-toerana noho izany, fihetsika izay ilana fitandremana be raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina omaly. Rehefa miala amin’ny toerana mangatsiaka ka mankany amin’ny mafana na avy any amin’ny mafana ka mankany amin’ny toerana mangatsiaka mantsy dia tokony hitandrinabe amin’ny fitafiana raha araka ny fanazavan hatranyy hisorohana ny aretina avy tampoka toy ny tazo.Tokony ho atin’akanjo vita amin’ny hasy hatrany no hanaovana hoy izy. Tokony hisotro rano 1 litatra isan’andro ihany koa ho an’ireo milanja 50 kg, rano izay nohamafisiny fa avy nampangotrahana, tokony ho ampy torimaso tsara ary tokony hihinana sakafo ara-pahasalamana ahitana ny proteina, ny sakafo mitondra hery sy hafanana ary ireo karazan-tsakafo ahitana otrik’aina ny tsirairay. Tokony hitandrina ihany koa hoy dokotera Fidy manoloana ireo karazan-tsakafo tsy mahazatra ny vavony hita any amin’ny faritra hialana amin’ny aretin-kibo sy ny tsy fahalevonan-kanina. Ho an’ireo manana aretina mitaiza moa dia nohamafisin’ny dokotera Fidy fa tokony hitondra fanafody hatrany izy ireny rehefa miala ny tokantranony ary tokony hanatona dokotera avy hatrany raha vantany vao misy tsy fahasalamana mipoitra tampoka.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT