Actualités

Fahasalaman’ny olona varira Vidiana 90.000 Ar ny crème iray tsy maintsy hampiasaina


  • Talata 21 Jona 2022

Homamiadan’ny hoditra no mahatonga ny olona iray ho lasa varira, raha araka ny fanadihadiana natao. Vao teraka izy dia efa mitranga izany,

 izay fantatra fa misy fiantraikany amin’ny masony ihany koa. Tsy dia mahita tsara ohatra ny olon-drehetra mantsy izy ireny raha tsy amin’ny alina irery ihany, antony mahatonga ny sasany tsy maintsy mitondra solomaso. Miaina toe-javatra sarotra ny olona varira eto amintsika, raha araka ny fanadihadiana natao ihany. Tsy afaka milona rano maharitra mantsy izy ireny fa mivoaka bontsibontsina ny hodiny. Tsy mahazo mitanin’andro maharitra ihany koa fa mangirifiry fatratra ny tenany hany ka miteraka fijaliana ho azy izany. Vokany, tsy maintsy mampiasa ilay crème solaire vidiana 90.000 Ar hahositra amin’ny tenany izy ireny rehefa hivoaka ny trano. Vetivety ihany anefa dia lany io crème io antony mahatonga ny sasany hisitrika tsy hivoaka ny trano mihitsy, ankoatra ilay fangalarana sy famonoana azy ireny izay tena nahazo vahana teto amintsika tokoa tato ho ato. Hisy moa ny lalana hapetraka entina hiarovana azy ireny eto Madagasikara hahafahany miaina toy ny olon-drehetra. Efa hatrany an-kibo moa homamiadan’ny hoditra mahazo ny ankizy varira.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT