Mihemo-dava ny fandraisana an-tanana ny Herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza (SSME) any amin'ny Faritra SAVA.
Raha tokony ho niaraka tamin’ny besinimaro ny 9 ka hatramin’ny 13 ny andiany faha-20 roapolo, notanterahina niaraka tamin’ny fankalazana ny herinandro afrikanina ho an’ny vaksiny, dia tsy raikitra ny an’i SAVA. Noeritreretina hatomboka ny talata 17 mey indray fa tsy tratra. Ny re izao dia nahemotra any amin'ny alatsinainy 23 mey 2016 ny fanombohan’ny SSME any SAVA. Raha nanontaniana ny anton’io fihemorana io ny Talem-paritry ny fahasalamana any an-toerana, Dr Sevamanana Serzhino dia nilaza fa noho tsy fahatongavan’ireo fitaovana hozaraina ara-potoana no antony. Tsy nambarany kosa ny antony nahatonga ny fahatarana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.