Actualités

Fahasahiranan’ny Jirama Toamasina Nampindrana gropy lehibe 2 i Ambatovy


  • Talata 22 Febroary 2022

Nampindrana milina mpihary herinaratra na « groupe électrogène » roa ny Jirama ao Toamasina ny orinasa Ambatovy.

Antony ny fahasahiranana atrehin’ny Jirama amin’ny famatsiana herinaratra ao Toamasina, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Dumako, ka nanapa-kevitra Ambatovy ny hampindrana « groupes électrogènes » roa samy manana tanjaka 825 kVA avy ho an’ny Jirama any an-toerana. Natolotra ny 18 febroary 2022 teo ireo fitaovana ireo izay misanda 142.200 dôlara tsirairay avy, araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’Ambatovy omaly. Marihina fa ny Orinasa Ambatovy no hisahana ny fikojakojana ireo fitaovana ireo ary ny Jirama kosa no hiantoka ny solika hampandehanana azy. Tsiahivina fa efa nanolotra « générateurs » roa misanda 16,5 arivo tapitrisa ariary ho an’ny Jirama ao Toamasina Ambatovy ny taona 2016, ho fandraisany anjara amin’ny fanatsarana ny famatsiana herinaratra ho an’ny tanànan’i Toamasina, ary izao mampindrana milina lehibe izao indray mba hanampiana sy hampitomboana ny famokarana herinaratra.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT