Raha nanontaniana ny heviny mahakasika izao fahantrana lalina mahazo ny vahoaka Malagasy izao Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina
filohan’ny Hafari Malagasy dia nanambara fa ny mpanao politika eto amintsika no fositra. Tsy tia tanindrazana no azo hilazana ireo mpanao politika eto amintsika, hoy izy, fa tia tena tsy mety hifampiresaka marina amin’ny vahoaka ary tsy mahalala afa-tsy ny tenany. Manampy trotraka izany ny kolikoly isan-karazany izay mahatonga ny vahoaka tsy hahita ny anjara masoandrony ary tsy mahatoky ny rafitra misy eto. Ny vahaolana hitako, hoy izy dia tsy misy afa-tsy ny fikatsahana ny hisiana fifandimbiasan-toerana ara-demokratika milamina eto amin’ny firenena fa tsy krizy lava izao isaky ny hiova filoham-pirenena.
NtsoavinaEvariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.