Miditra amin’ny kihon-dalana farany amin’ny fanomanana ny fifidianana isika ankehitriny. Ho an’ireo kandida 33 mpifaninana ho filoham-pirenena vaovao sy ireo etamazaoro politika mpanohana dia samy hiezaka mafy handresy lahatra sy hampisongadina ny olona izay tohanany amin’ny fandatsaham-bato izay hotanterahina ny zoma 25 oktobra 2013 ho avy izao ka hiandrasan’ny vahoaka Malagasy ny fampanantenana sy fanatanterahana ireo asa tamin’ny kabary izay nataon’izy ireo nandritra ny fampielezan-kevitra. Ho an’ireo tompon’andraikitra mikarakara ny fifidianana indray dia mila manao dingana lehibe tokoa izy ireo amin’ny fandavorariana ity fandatsaham-bato hanehoan’ireo mpifidy maherin’ny 7.800.000 ny heviny satria hatramin’izao aloha dia mbola misy ireo lesoka maro tokony harenina ao anatin’izao efatra andro mialoha ny fifidianana izao toy ny fampianarana ny olona amin’ny fampiasana ilay bileta tokana izay mbola hita ho manahirana ny olom-pirenena maro sy ny fitsinjarana ireo kara-pifidianana ho tonga ara-potoana any amin’ireo mpifidy isanisany. Ho an’ireo mpanara-maso ny fifidianana moa dia manana andraikitra goavana izy ireo mialoha, mandritra ary aorian’ny fandatsaham-bato mba ho tena madio sy mangarahara ary ho eken’ny maro an’isa tokoa izay voka-pifidianana mivoaka eo. Dia miandry izay fivoaran’ny raharaham-pirenena izay ny mpanara-baovao Malagasy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.