Nihemotra ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara.
Eo amin’ny laharana faha-57 manerantany isika raha ny fandaharana nataon’ny Reporters sans frontiers ho an’ny taona 2021. Very laharana telo i Madagasikara miohatra ny tamin’ny taon-dasa 2020, nametra antsika teo amin’ny laharana faha-54. Heverina fa anisany nanaratsy endrika an’i Madagasikara ny fampidirana am-ponja mpanao gazety, nisesy ny taona 2020. Teo ny raharaha Rahelisoa Arphine, talen’ny famoahana ny gazety Ny Valosoa Vaovao. Ny 4 aprily 2020 izy no niditra am-ponja tao Antanimora ary voatazona tao nandritra ny iray volana. Mbola eo koa ny raharaha Rahajason Harry Laurent na Rolly Mercia, mpanao gazety sady minisitry ny serasera sy ny kolontsaina teo aloha. Ity farany izay voatazona ao Antanimora nanomboka tamin’ny jolay 2020 nohelohin’ny fitsarana higadra 44 volana an-tranomaizina, ary mbola any am-ponja amin’izao.Ankoatr’izay dia mbola nisy ihany koa ny fampiantsoana mpanao gazety atao fanadihadiana teny amin’ny sampana heloka bevava an’ny zandarimariam-pirenena. Norvezy, Finlandy ary Soeda, izay samy firenena eoropeana no telo voalohany amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety manerantany. Aty amin’ny ranomasimbe indianina kosa, dia voalohany eo alohan’i Madagasikara ny nosy Seysela ary fahatelo aorianantsika ny nosy Maorisy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.