Actualités

Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety Tsy mbola tanteraka


  • Zoma 04 Mey 2012

Tao Toliara renivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana no nampiantrano ny fankalazana nasionaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.

 Tamin’ny omaly koa no nametrahana ny ivontoeran’ny asa fanaovan-gazety ao Toliara izay ny PNUD no niantoka azy. Mpanao gazety niisa 120 amin’ny lafivalon’ny Nosy no tonga tany an-toerana izay nanamarika nandritra ny adihevitra manodidina ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety fa sarotra tokoa ity asa ity. Betsaka no mitondra faisana eo am-panatanterahana ny asany, ao ny sakantsakana samihafa avy amin’ny tomponandraiki-panjakana sasany sy ireo mpanao politika ankoatra ny olana ara-pitaovana. Samy nahatsapa anefa ny rehetra fa fanoitra sy fototry ny fampandrosoana sy ny demokrasia ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ka tokony hatao laharam-pahamehana. Niantso ny firaisankinan’ny mpanao gazety kosa ny minisitra Rahajason Harry Laurent raha nanomboka ny fandraisam-pitenenany.

Nolazainy indray avy eo fa arovana ny fampiroboroboana ny asa fanaovan-gazety nefa tsy maintsy manaraka ny lalàna velona. Ny fanidiana radio sy televiziona, hoy izy dia fanadiovana mba hisian’ny fampanaraham-penitra. Niangavy koa ny tenany mba ho mendrika sy feno fandeferana amin’ny fanatanterahana ny asa ny mpanao gazety ho voninahitry ny asa fanaovan-gazety. Fotoanan’ny fanehoan-kevitra sy fitondrana ny anjara biriky izao ho fanoitry ny fanovana ny fiarahamonina na dia samy hafa aza ny fenitry ny tsirairay raha ny nambarany hatrany.

Nangonin’i Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT