Mivoatra ny raharaha mikasika ny fahafatesan-dRambolamendrika Nasandratra Valimbavaka, ilay tovolahy vao 15 taona voalaza fa niharan’ny herisetra teny
Ivato ny 06 jona, ary ny fatiny sisa hita tany amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha. Nisy ny filazana fa ny miaramila tao amin’ny BANI Ivato no nanao herisetra taminy, saingy nandiso izany ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika ny 14 jona teo. Nisy kosa ny vaovao nivoaka omaly, fa velon'aina ilay tovolahy niaraka tamin-dRambolamendrika Nasandratra Valimbavaka. Mangana sy feno ratra ny vatany, I Nasandratra kosa namoy ny ainy. “Notantarain'ity tovolahy ity tamin'ireo olona akaiky azy fa novonoin'ny miaramila izy ireo. Araka ny voalazany, nafaran'ny miaramila izy, hoe : aza miteny hoe zahay no namono an'ialahy fa matinay ialahy raha maheno feo izahay hoe novonoinay ialahy", araka ny tati-baovao navoakan’ny “Faits divers mada” omaly. Vao mainka misafotofoto ny raharaha, fianakaviana milaza fa ny miaramila no nidaroka azy ireo. Ny fanambaran'ny Etamazaoron'ny Tafika, omaly, kosa nandiso izany. Mitohy kosa ny fanadihadiana nankinina amin'ny zandary. Hatreto, milaza fa tsy hanaiky mora ireo fianakavian'izy roalahy. Zava-dehibe mety hivoahan’ny marina ny fahitana io tovolahy iray izay naratra sy mangana io eo anatrehan’ny toe-draharaha mifamahofaho. Tsy mbola nisy aloha ny fandisoana nataon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena momba ny voalazan’ilay tovolahy iray, 4 ora taorian’ny nivoahan’ny fivoaram-baovao omaly.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.