Iray volana afaka 5 andro ny nahafatesan’Itompokovavy Elisabeth, ilay tovovavy kely vao 20 taona monja mpianatra Paramed avy any Maroantsetra nandrato fianarana tany Mahajanga.
Raha tsiahivina kely ny tantara dia maty nisy namono izy ary narian’ireo tsy mataho-tody teny amin’ny fanariam-pako ny nofo mangatsiakany taorian’izany. Hatreto anefa dia tsy mbola nahazo vaovao ofisialy mikasika ireo olona tena namono ity tovovavy ity ireo namany. Nisy ny hetsika fanairana ny tompon’andraikitra nataon’ireo mpianatra namany sy fianakavian’ Itompokovavy ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny alalany filanjana sora-baventy no nanehoan’izy ireo ny alahelony sy ny fitakiany ny marina momba iny raharaha iny . Nambaran’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana moa fa efa nahatratra 21 isa ireo olona nohenoina sy nosamborina mahakasika ity raharaha ity. Tsy marina kosa ilay vaovao nivoaka izay nanondrotondro olona tsy fantatra nolazaina fa namono ity tovovavy ity ary efa nahitsin’ireo mpitandro ny filaminana izany.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.