Actualités

Fahafatesana mpianatra mpanamory tao Antsirabe Nampahatsiahy ny toky nataon’ny Filoha ny fianakavian’ny maty


  • Zoma 12 Novambra 2021

Feno 2 taona omaly, raha ny fitarainan’ny fofombadiny fahavelony, Andrianina Ravel, no nahafaty an’i Rakotoson Mamimaherimanana Andrianina, mpianatra mpanamory fiaramanidina na “ élève officier pilote”

 andiany faha 25 tamin’ireo mpianatra ho miaramila. Miandry ny fitsarana any Antsirabe izay nitrangan’ity famonoan’olona feno habibiana ity ny tenako sy ny fianakaviana hatramin’izao, hoy izy. Ny 11 novambra izy no maty ary nolazaina fa anton’izany ny aretina “insuffisance rénale aigue”. Tsy ekeko sy ny fianakaviana io antony hita ho noforonina io amin’ny maha zava-dehibe ny atao hoe aina. Ho tohizanay hatramin’ny farany ny fitadiavana ny marina momba io raharaha io ary mangataka ny fitondram-panjakana manentana foana hoe jereo akaiky io raharaha io mba tsy hisian’ny toe-javatra tahaka izany intsony. Na inona mitranga na inona heverina ho tsiambaratelo na “secret militaire” dia tsy tokony hisy mihitsy aina afoy anatin’izany fampiofanana miaramila izany. Mahatoky ny fahendren’ny fitsarana izahay hamoaka ny mangarahara mikasika ity raharaha ity ary aoka hibaby ny tsy mety nataony izay meloka. 24 volana izay no niandrasanay fa mitaky izahay ankehitriny hoe mba hafaingano amin’izay re ity raharaha ity. Aoka tsy ho verivery foana ny aina, hoy hatrany ny tenany. Manantena ny filoham-pirenena, izay nanome toky fa hanara-maso akaiky ity raharaha ity aho, hoy izy nampahatsiahy, fa tena izany tokoa no ataony.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT