Actualités

Fahafatesana mampiahiahy Hofongarina indray ny razan’ilay zazavavy kely


  • Zoma 08 Aprily 2022

Voatery tsy maintsy ho fongarina indray ny nofo mangatsiakan’ilay zazavavy kely vao 05 taona monja maty tamin'ny fomba mampiahiahy tamin'ny 25 martsa lasa teo tany amin’ny distrikan’i Sambava.

Raha araka ny feo miely mantsy dia misy milaza ho nisy nanolana ity zazavavy kely ity ary efa naiditra am-ponja vonjimaika any Antalaha ilay tovolahy nahavan-doza. Misy ihany koa anefa ny resaka hafa mandeha antony mampiahiahy fatratra ny fianakaviana. Mba hahafahan’ireto farany mahafantatra ny tena zava-nisy marina ary dia fantatra fa tsy maintsy hofongarina ao amin’ny fasana ilevenany ny nofo mangatsiakan’ity zazavavy kely ity. Hanaovana « autopsie » mihitsy raha toa ka manam-bola hanaovana izany izy ireo alohan’ny nandevenana azy fanindroany hoy hatrany ny vaovao ary hoentina hiakatra fitsarana amin’ny 11 May ho avy izao ny raharaha. Marihina moa fa nisy ny tsara sitrapo nanampy ara-bola ny fianakavian’ny maty, hahafahan’izy ireo manao ilay « autopsie ». Andrasana araka izany izay mety ho vokany.
Nangonin’i Pati

Legende : Hofongarina tahaka izao ilay nofo mangatsiaka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT