Lasibatra matetika amin’ny asan-jiolahy izay nisesilany tamin’ity taona ity ireo teratany frantsay.
Saika ireo Karana mizaka ny zom-pirenena frantsay avokoa no voatafika na misy maka an-keriny eto an-drenivohitra. Efa nampaneno lakolosy nanaitra ny mpitandro filaminana Malagasy noho izany mihitsy ny masoivoho frantsay eto Madagasikara Jean Marc Chataigner. Farany teo indray dia mpivady mpandraharaha ara-pizahantany ao Toliara izay Frantsay ihany koa no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana. Misy voka-dratsiny amin’ny fahitan’ny vahiny an’i Madagasikara io tsy fandriampahalemana io. Araka ny hevi-dRadanoara Julien dia manaratsy endrika antsika tokoa iny zava-misy iny. “Azo adika koa anefa fa hihamafy ny ampihimamba ataon’ny Frantsay ary ny fiandrianam-pirenana mihitsy aza no mety hitsabahany matoa ry zareo mikasa handefa mpitandro ny filaminana sy ny mpanao famotorana momba io rahararaha Toliara io”, hoy ity manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena ity.
Eo amin’ny lafiny ara-toekarena indray dia hampihemotra ireo mpizahatany sy ny mpampiasa vola te hiditra eto amintsika izao tsy fandriampahalemana izao ka anisan’ny tena ho voa mafy amin’izany sehatry ny fizahantany. Nitatitra ity famonoana an’i Gerard Fontaine sy ny vadiny ity koa ireo filazam-baovao frantsay mandeha eran-tany. Mikasika ity raharaha ity, dia nisy olona iray voasambotry ny Polisy tao Besakoa – Toliara omaly. Mbola nisy nampiasa ny findain’ilay frantsay vavy, Johanna, nisy namono, ka nianga avy amin’io no nisamborana io olona io. Rehefa nosavaina ny tranony dia nahitana “carte bancaire” an’io vazaha vavy io sy ny “retroviseur”-n’ilay Quad nampiasain’ireo vazaha roa nisy namono ireo. Talohan’ity omaly ity, dia efa nisy olona efatra voasambotra ary tazomina am-ponja vonjimaika mikasika ity raharaha ity.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.