Actualités

Fahafatesan’ny zandary Mboazy Renera Tsy maintsy hivoaka ny marina…


  • Alakamisy 16 Jona 2016

Na dia matanjaka aza ny tambajotra nifandray tendro tamin’ny namonoana an’Itompokolahy Mboazy Renera rahalahiko tany Fianarantsoa (zandary am-perinasa tany an-toerana) tamin’ny 28 janoary 2016, hoy Atoa Lercia mpandraharaha, ary hifandraisan’ny olona mpifanerasera matanjaka amin’ny any an-dapam-panjakana an-tampony eto amin’ny firenena, dia ambarako fa tsy maintsy hipoitra ny marina amin’iny raharaha iny na ho ela na ho haingana.

Tena inian’ireo mpiara-miasa naman’Itompokolahy  akaiky na ny ankohonany na ireo tompon’andraiki-panjakana ambony misy ny toerana niasan-dRatompokolahy na ny tompon’andraikitra hafa mpanamarina fahafahatesana ... afenina ilay izy noho ny herin’ny vola. Manahy mafy ny tsy hahavitan’ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fitandrovana ny aina sy ny fananan’ny vahoaka aho, hoy ihany Atoa Lerci, satria na dia ny ain’ny namany aza dia tsy voaarony. Raha tsiahivina moa tamin’ny nahafaty azy dia natao fato-maty i tompokolahy ary nasiana lamba fotsifotsy teo amin’ny tendany ary nohafatrafarana mafy fa tsy azo vahana mihitsy ireo noho ny « commandement » nilatsaka avy any ambony. Tsy nanaiky izany anefa izaho rahalahiny fa tsy maintsy novahana ilay fatotra ka hay nisy goaka be teo amin’ny faritry ny tendany. Mino aho, hoy Atoa Lercia tamin’ny firesadresahana tamin’ny mpanao gazety fa tsy ho afa-bela na oviana na oviana ny nahavita raharaha maizimaizina tahaka itony 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT