Actualités

Fahafahan’ny asa fanaovan-gazety Laharana faha-56 maneran-tany ny Malagasy


  • Talata 12 Jolay 2016

Araka ny navoakan’ny RSF na ny Repoters sans frontiers farany dia laharana faha-56 maneran-tany no misy an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fahafahan’ny asa fanaovan-gazety amin’ny firenena 180 voalahatra tamin’ity taona 2016 ity.

I Finlande arahin’i Pays Bas moa no mitana ny laharana 1 sy faha-2  ary Korea  Avaratra sy Erythrée kosa no laharana faha-179 sy faha-180 farany. Mbola azo ambara fa mitana ny laharana ambonimbony ihany isika na dia nanambara aza ny RSF sy ny UPF na Union international de la Presse Francophone fa tokony hoteren’ny  fikambanana iraisam-pirenena ny governemanta Malagasy sy ny Solombavambahoaka eny Tsimbazaza mba hiverina handinika ny zavatra notinapany tamin’ny fivoriambe farany teo ka nandaniana ilay volavolan-dalànan-tserasera vaovao. Nahazo tatitra diso avy amin’ny mpanao gazety Malagasy sasantsasany manohitra ity lalàna ity mantsy ry zareo ireo ka sahy namoaka fanambarana an-tsoratra fa toherin’izy ireo ny fandanian’ny parlemanta Malagasy an’io volavolan-dalàm-pifandraisana io noho izy io manohintohina ny demokrasia sy ny fahafahana miteny amin’ny ankapobeny. Voalazan’ny tatitra diso azon-dry zareo ireto mihitsy aza fa mbola mety higadra mihitsy ireo mpanao gazety Malagasy raha manao hadisoana amin’ny asa ataony. Nisy ny ankolafy mpanao gazety nijoro koa etsy an-kilany nanohitra izany fanambarana diso izany omaly tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT