Tsy mahita vahaolana amin’ny fahadaboana miseho eto an-drenivohitra mihitsy ny fanjakana foibe sy ny kaominina ambonivohitra Antananarivo rehefa fotoam-pahavaratra tahak’izao indrindra ny filatsahan’ny orana.
Dobo avokoa ireo faritra iva sy ny lalana rehetra an-tanan-dehibe dia tsy misy fanajariana azy na efa andraikitra ny kaominina be izao no mikarakara azy. Mampiferinaina ireo mpampiasa lalana ny fahasimbana sy ny fahadoboana misy eran’ny tanàna eto andrenivohitra. Efa tsy mahazaka maha an-drenivohitra azy intsony ny zava-misy ankehitriny rehefa fotoam-pahavaratra fa milomano ao anatin’ny rano maloto ny be sy ny maro. Any amin’ny tsy tokony atao laharapahamehana indray no hihazakazan’ny fanjakana fa tsy fitadiavam-bahaolana ny lalana feno rano sy tatatra miakatra rano maloto. Mampitaraina ireo mpampiasa lalana rehetra hatrany ny mpianatra ny fahadoboana eto an-drenivohitra. Miteraka fitohanana lavareny rahateo izany izay lasa mitandrinna ny manana fiara sy ny kodiaran-droa mba ho simba ny fitaovam-pitaterana entiny. Tsy mahita vahoalana ve ny fanjakana sy ny kaominiana Antananarivo Renivohitra manoloana ity fahadoboana goavana miseho ity. Na efa nisy aza ny tetikasa fanambaoran-dalana natao saingy ny rano miandrona sy ny fahadoboana dia mbola aretina tsy sitra-panafody ho an’ireo mpampiasa lalana . Tahotra hoan’ny olona ny fotoana filatsahana ny orana ny toerana dobo. Herinandro lasa teo nisian’ny orana nilatsaka dia 15 minitra no efa feno rano ny lalana rehetra indrindra ireo fokontany iva. Maharitra andro maro rahateo vao midina sy maina ny rano.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.