Actualités

Faha 55 taonan’ny TVM Nampahatsiahivana ny lasa ny fandaharana rehetra


  • Alatsinainy 26 Desambra 2022

Nampahatsiahivana ny lasa nanomboka ny taona 1967, izay nanombohan’ny TVM na ny televizionina malagasy ka hatramin’izao taona 2022 izao ny fandaharana rehetra nandeha tao amin’ity televizionim-pirenena ity ny tontolo

andron’ny 24 desambra teo. Niverina nandray anjara tamin’ny fanolorana ireo fandaharana natolony fahizany indray toy ny fandaharana ara-panatanjahantena “Kianja” ry Bruno Razafindrakoto sy ry Jacquot Raholdina. Ny tonian-dahatsoratra tany am-piandohana, Jean Claude Andrianaivo, sy ny mpanao gazety nanolotra vaovao voalohany tamin’izany fotoana, Liliane Andriambololona, no niara-nanolotra ny vaovao an-tsary takariva nanomboka tamin’ny 7 ora sasany. Naverina nojerena koa ny andiany faha 119, tapany voalohany, tamin’ilay andian-tantara neverina ho be mpanaraka indrindra tany amin’ny faraparan’ny taona 1990 tany izay mitondra ny lohateny hoe “Marimar”. Ireo sarimihetsika mifandraika amin’ny fetin’ny noely toy ny “Maman j’ai raté l’avion” koa no narahana ny tolakandro. Namarana ny tontolo andro moa ny fampahatsiahivana ara-tantara mihitsy ny nolalovan’ity televizionina ity rehetra ho fanamarihana izao faha 55 taonan’ny televizionim-pirenena izao, izany hoe 1967-2022.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT