Feno 40 taona amin’ity taona 2016 ity ny antoko Arema, ka misy ny fanomanana fety goavana karakaran’izy ireo ao Toamasina mikasika izany, izay nosantarina tamin’ny fampirantiana.
Sary nanomboka tamin’ny fahakelin’ny Amiraly hatramin’izao taona 2016 izao mahatratra 400 mahery no haranty ho hitan’ny olona liana, amin’ny tantaran’ny antoko eo anivon’ny lapan’ny ankizy mpisava lalana nivadika ho Ivontoerana Rejionaly ho an’ny Tanora (CRJS). Hita ao avokoa ny fahakelin’ny Amiraly, ny fianarana nataony, ny nahatonga azy ho filoham-pirenena ary ireo zava-bitany sy ny fifandraisana iraisam-pirenena sy teto an-toerana ihany koa. “Nenjehina sy nogadraina ny mpikamban’ny antoko, saingy tsy nahafaty azy izany ary tena mbola velona ny Arema hatramin’izao, izay mbola vonona amin’ny fandraisana anjara amin’ny resaka fifidianana rehetra misy eto, sy ny raharaha politika mitranga eto Madagasikara”, hoy Rtoa Sophie Ranaivo teraka Ratsiraka. Nomarihany hatrany fa adidy tsy maintsy noraisinay zanaka sy taranaka aty aoriana ny fampahalalana ny marina momba ny Arema sy ny Amialy Ratsiraka, satria betsaka no naka tahaka ny Arema saingy tsy nisy nahasolo ny zava-bitany sy zavatra nataony ho an’ny firenena. Maimaimpoana ny fampirantiana ny tantaran’ny antoko ao amin’ny CRJS Toamasina mandritra ny herinandro natomboka omaly alahady 12 jona 2016. Hitohy ny zoma sy ny sabotsy ho avy izao ny fankalazana rehetra. Ho avy ao Toamasina mihitsy ny filoham-boninahitry ny antoko, Amiraly Ratsiraka mandritra izany, ka andrasana izay hambarany mikasika ny zava-misy ara-politikan’ny Arema sy izay asa miandry azy ireo aorian’izao fety izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.