Hotohizana anio talata 15 sy rahampitso alarobia 16 ary ny alakamisy 17 mey etsy amin’ny Lapan’ny tanŕna vaovaon’ny tanŕnan’Antananarivo ny tsiaro ny 13 mey 1972.
Ny fampirantiana an-tsary ny tantaran’ny tolon’ny 13 mey 72 ataon’ny fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona sy ny Fikambanana 13 mey 72 no hisongadina amin’izany. Hifanindran-dalana amin’io koa anefa ny famelabelaran-kevitra sy resadresaka hifanaovan’ireo fikambanana roa ireo amin’ny vahoaka izay liana, eny Ambatonakanga (Au bon Accueil) ny tolakandron’ireo andro ireo ihany. Marihina fa tamin’ny sabotsy teo, tao amin’ity toerana farany ity, no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny tsiaron’ny 13 mey 72, 40 taona aty aoriana. Tamin’ny alalan’ny fampirantiana sary sy fijoroana vavolombelona samihafa no nanatanterahana izany. Tolon’ny mpianatra dokotera tetsy Befelatanana ho fitakiana ny fanatsarana ny tontolon’izy ireo amin’ny ankapobeny no niantombohan’ny hetsika, raha ny fanazavana azo teny an-toerana, dia nitohy tamin’ny fitakiana ny fanagasiana ny fampianarana avy eo. Tsy tantin’ny mpianatra ny hoe ny eny Befelatanana dokoteran’Ambanivohitra fa ny eny Ankatso dokoteran’ny renivohitra, hoy ny Me Olala.
Tsy nisy resaka politika sy fanonganam-panjakana izany ny fiatombohana, hoy i Alain Ramaroson ary efa nilamindamina aza ny resaka rehefa nikabary teny Alarobia ny filoha lefitra Tsiebo Calvin. Ilay kabarin’ny filoha Philibert Tsiranana tany Ranomafana sy ny resaka “Tsaky, tsaky zato arivo” no nampitroatra ny vahoaka. Ny fitakiana ny hamerenana an’ireo mpianatra nosamborina teny Ankatso ka nalefa tany Anosilava no nanamafy izany, hoy Rakotondrasoava Georges (mpanao gazety zokiolona) izay raiamandrenin’ny mpianatra tamin’izany fa tsy nandray anjara nivantana tamin’ny tolon’ny mpianatra tsy akory. Nisy Malagasy iray nonina tany Frantsa nijoro vavolombelona tamin’ny fihetsiketsehana nataon-dry zareo tany ivelany tany tamin’io 13 mey 1972 io. Nisongadina koa ny nanamarihan’ny mpanao gazety iray nanatri-maso ny zava-nitranga tany Mahajanga tamin’ireny vanim-potoana ireny ka nilazany ampahibemaso fa nisy zanaka mpitondra fanjakana tamin’iny Repoblika voalohany iny nitifitra olona an-kitsirano avy eny an-davarangany ankoatra ireo tifitra nataon’ny FRS taty Iarivo.
Avy amin’ny fanontanian’ny Tia Tanindrazana no namalian’ny mpikarakara fa tsy nisy ambadika politika ny tolon’ny mpianatra teny Ankatso ary tsipaipaika no nanaovana ireny trakta marobe nozarazaraina tamin’ny fotoanan’ny fitokonana ireny. Fantatra avy amin’ny fanamarihana azo teny Ambatonakanga koa fa niandohan’ny fahamafisan’ny tolona nataon’ireo mpianatra ho dokotera teto Antananarivo tamin’ny taona 72 ny fahafatesan’Itpkl Randrianarisoa Modeste (18 taona) mpianatra tao amin’ny sekoly Lovasoa Ambalavao, maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana ny alatsinainy 8 mey 1972 ary nentina natao «autopsie» taty an-drenivohitra ho fanamarinana fa tena notifirina no nahafaty azy. Naseho tao amin’ity toerana ity rahateo ny sary an-gazety (Gazety Hehy 1972) naneho ilay trangan-javatra.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.