Niavaka ny fanamarihana ny faha-20 taona niorenan’ny Rotary club Lac Alaotra. Ankoatra ny fanoloran’izy ireo fitaovana manome herinaratra ny kaominina Ilafy sy Andranokobaka dia nahazo fanafody fiterahana ihany koa ny CSB2 any Ambohiboromanga sy Ambohitrapirana.
Tafiditra indrindra amin’ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka eny anivon’ny tontolo ambanivohitra izao hetsika nataon’ny Rotary club Lac Alaotra niaraka tamin’ny Rotary Anosy izao. Fantatra fa hitarina amin’ireo kaominina hafa izay tsy mbola manana herinaratra ny fanomezana Panneau solaire ny CSB2. Fa anisan’ireo kaominina hahazo fanafody fiterahana tsy ho ela ny CSB2 Manakambahiny Andrefana. Nisaotra ireo rehetra mpiara-miasa taminy ka nahafahana nanatontosa ireo hetsika rehetra nanamarihana ny faha-20 taonan’ny Rotary club Lac Alaotra ny filohany Mamy Rabetsimitovy.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.