Fadintseranana Malagasy

> Tsy hampiasa taratasy intsony afaka 10 volana


  • Alarobia 18 Septambra 2013

Ho fanohizana sy ho fanatrarana ireo tanjona goavana amin’ny fanarahana ny fivoaran’ny toetrandro ary efa napetraka tao anatin’ireo paik’ady roa nifanesy tamin’ny taona 2005-2008 sy ny taona 2008-2012 hotanterahan’ny Fadintseranana Malagasy ny vina iombonana mba ho sampandraharaha fitaratra ny fitantanana ao amin’ity asam-panjakana ity.

Tafiditra ao anatin’izany ny fampitomboana ireo vola miditra amin’ny Fadintseranana, ny fanamorana ireo asa takiana amin’ny famoahana sy fampidirana entana, ny fametrahana tontolon’ny asa ara-kalitao ary indrindra ny fiadiana amin’ny hosoka sy ireo mety ho karazana fanondranana an-tsokosoko. Tsy miasa irery anefa ity sampandraharaham-panjakana mikirakira ny entana vahiny sy tompon-tany mivezivezy eny amin’ny seranana ity fa eo dia eo ihany koa ny GasyNet. Araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny Fadintseranana Malagasy Razafindramiandra Vola dia ahitana tombony betsaka tokoa ny fisian’ny sampan’asa tokana na “Guichet Unique” satria na ny fotoana famoahana entana izay 15 andro taloha aza dia nidina ho 3 andro izany ho an’ny fitaterana an-dranomasina raha andro iray monja ho an’ny zotra anabakabaka, na ny vola aloa sy ny fivezivezena dia hita ho manamaivana ny mpanjifa be dia be. Midika izany fa sady manafaingana ny asa ny “Guichet Unique” no mampihena ny vesatra ara-bola ho an’ny mpandraharaha ihany koa. Mbola tsy afa-po amin’izay anefa ireo tompon’andraikitra ao amin’ity sampandraharaha ity fa mikatsaka hatrany ny tsaratsara hatrany ka tanjona, hoy ny Tale jeneraly Razafindramiandra Vola ny tsy hampiasa taratasy intsony amin’ny volana jolay 2014 fa dia hiditra an-tsehatra amin’izay ny fitaovana tena avo lenta sy manaraka ny toetrandro. Manantena mantsy izy ireo fa dia holaniana eny amin’ny Antenimiera roa tonta ny lalàna mifanaraka amin’izany miampy ny lalàna iadiana amin’ny hosoka mialoha io fe-potoana io.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT