Actualités

Fadin-tseranana ao Mahajanga Nahatrarana sokatra sy fanafody saika haondrana any Kaomoro


  • Zoma 15 Jolay 2022

Baoritra lehibe miisa roa, izay nosavain’ny Polisim-pirenena miasa eo anivon’ny fadin-tseranana ao Mahajanga no

nahitana sokatra sy fanafody maro saika haondrana an-tsokosoko tany Kaomoro afak’omaly alarobia 13 jolay 2022 teo. Sambokely iray hanainga ho any Moroni, Comores no nahitan’ireto Polisy ireto baoritra lehibe miisa 02 izay nafenina fatratra. Manoloana izany dia niroso tamin’ny fisavàna avy hatrany ny Polisy ary tamin’izany no nahitana ireo sokatra, izay biby arovana (astrochelys radiata) miisa 36 tao amin’ny iray tamin’ireo baoritra. Ny baoritra faharoa kosa dia nahitana fanafody maro notsinjaraina tanatina baoritra kely miisa 12. Nifandrombonan’ny Polisim-pirenena, ny Zandarimariam-pirenena; ny mpiandraikitra ny Fadin-tseranana, ny mpiandraikitra ny rano sy ny ala; ary ny APMF ny fanadihadiana. Nogiazana kosa ilay sambokely ary nosamborina ireo tantsambo sy ny olona nentiny mba hanaovana famotorana mahakasika izao raharaha izao. Anisan’ny fiampangana azy ireo ny fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena sy biby arovana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT